Archives quotidiennes: 23 juillet 2020

Toamasina : mitohy ny ady atao amin’ny Coronavirus

0
Hiainga avy amin’ireo sefo fokontany sy ireo lehiben’ny boriborin-tany ny fanaraha-maso ny fampiharana ireo fepetra rehetra amin’ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus ao Toamasina manomboka izao. Nisy ny lamina sy ny toromarika maro samihafa nomena azy ireo androany manolona izany.

BMH : manodidina ny 50 isan’andro ny fanambarana fahafatesana voaray

0
Manodidina ny 50 isan’andro ny fanambarana fahafatesana tonga eny anivon’ny BMH nanomboka ny voalohan’ny volana jona. Raha 10 tamin’izany no voamarina fa matin’ny valan’aretina hatreto. Azo alevina ampasan-drazana ny matin’ny Covid-19 saingy misy ny fepetra takiana amin’ny fandevenana na izany ho an’ny razana na ny fianakaviana.

CORONAVIRUS: miisa 29 ireo “forme grave” ao amin’ny Hopitaly HOMI

0
Efa feno Hôpitaly Miaramila eo Soavinandriana ka miisa 29  ireo olona  mararin’ ny Coronavirus  maneho “forme grave”  raisina an-tanana ao. Mpaimapim-poana avokoa ny  fitsabona sy ny  fanafody hoy ireo mpitsabo ankoatr’ izay tsy misy ao an-toerana.

Mahajanga : nohamafisina ireo fepetra hiadiana amin’ny Covid-19

0
Mikatona tanteraka ny fitateram-bahoaka mampifandray an’i Mahajanga amin’ireo distrika manodidina rehetra maniomboka ny andron’ny rahampitso Alakamasiy araka ny fanapahan-kevitry ny CRCO Boeny. Ferana amin’ny 1 ora tolakandro kosa ny fisokafan’ny toeram-pivarotana rehetra ho fisorohana ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus izay nahazo laka any Mahajanga amin’ijzao fotoana izao.

Air Madagascar – Air Austral : mifarana hatreo ny fiaraha-miombon’antoka

0
Mifarana hatreo ny fiaraha-miombon’antoky ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar sy ny Air Austral.  Hiverina manontolo amin’ny  orinasa CNAPS sy ny fanjakana Malagasy ny fitantanana an’i Air Madagascar izay .