vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 29 juillet 2020

Covid-19 : zandary 220 sy mpianatra 467 eo anivon’ny sekoly ambony no voa hatreto

0
Manodidina ny 220 ny mitondra ny tsimok’aretina Coronavirus eo anivon’ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena, araka ny tatitra avy amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena androany. Voakasik’izay ihany koa ny teny anivon’ny sekoly ambony momba ny fampiofanana zandary any Ambositra sy Moramanga izay nahitana tranga 467.

FHORM : «tsy misy tombony ny fisokafana hatramin’ny 1 ora atoandro »

0
Tsy misy tombony ho an’ireo toeram-pisakafoana ny fisokafana hatramin’ny 1 ora atoandro. Izay raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny FHORM Fédération des Hôteliers et Restaurateurs de Madagascar. Etsy ankilany, miisa 3 mzava tsara ny fanampiana angatahan’izy ireo amin’ny fanjakana , isan’izany ny fanemorana na ny fanafoanana ny hetra ny taona 2020.

ANTSIRABE : tapaka matetika ny jiro ka nampitaraina ireo mpanjifa

0
Nahitana fahatapahan-jiro matetika tao amin’ny renivohitra Vakinankaratra ny herinandro lasa teo.  Anton’izany ny fahatapahan’ny tamban-jotra izay mampifandray an’Antsirabe sy Antananarivo raha ny  fanazavana  avy eo anivon’ny orinasa JIRAMA.

Andry RAJOELINA : nanolotra fanampiana sy fitaovana ho an’ny CHU Tanambao I

0
Nanolotra fanampiana sy fitaovana ho an’ny CHU Tanambao I ao Antsiranana ihany koa ny filoham-pirenena sy ny vadiny taorian’ny tao Mahajanga sy Nosy Be. Tsy maintsy ho resintiksa ny Valan’aretina hoy ny filoha ka irariana tsy hisy intsony ireo mamoy ny ainy vokatr’izany. Ankoatra izay, nomena indemnité sy Prime de risque ihany koa ireo mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana mandray an-tanana ireo mararin’ny Coronavirus.

Antananarivo : manodidina ny 10 000 ny olona voasazy nanao asa ho an’ny daholobe

0
Manodidina ny 10 000 ny isan’ny olona nampanaovina asa ho an’ny daholoba nandritra izao fihibohana izao raha ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka. Ho an’ny mpandinika ny fiarahamonina, tokony ovaina ny fomba fanentanana ny olom-pirenena mba ahatsapa tena amin’ity ady iombonana ity.

Raharaha fikasihan-tanana tany Toamasina : niakatra fampanoavana omaly

0
Taorian’ny fifampiresahana teo anivon’ny roa tonta azo ambara fa niravona ilay raharaha mahakasika ny fikasian-tanana sy fandratrana nataona miaramila tamina sivily 62 taona tao amin'ny Fokontany Mangarivotra Avaratra. Tranga izay niseho ny marainan'ny zoma faha 17 Jolay lasa teo, io no nambaran’ny mpisolovavan’ilay mpitory taorian’ny fotoampitsarana omaly tany Toamasina.