vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 30 juillet 2020

Distrikan’i SAMBAVA : natokana hanamboarana ny lalana ny CLD 2019

0
Natokana ho an’ny fanamboaran-dalana hahafahana mamoaka ny vokatra Vanille ny volan’ny CLD 2019 ao amin’ny Distrikan’i Sambava hoy ny Solombavambahoaka voafidy tany an-toerana. Fanamboarana ny lalana izay tafiditra ao anaty laharam-pahamehan’ny mpitondra fanjakana hahafahana manova ny fiainan’ireo mpamokatra sy hahafahana mampandroso ny firenena.

CUA : nisitraka fampitaovana avy amin’ny Frantsay

0
Taorian’ny fampitaovana ny Zandarimariam-pirenena ho fanatsarana ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara, nanolotra fanomezana ho an’ny Kaominina Antananarivo renivohitra ihany koa ny Région îles de France, tamin’ny alalan’ny Masoivoho Frantsay, monina sy miasa eto Madagasikara androany. Ny eo anivon’ny Kaominina izay isan’ireo mifanerasera betsaka amin’ny olona noho ny asany andavanandro, indrindra amin’izao fiparitahan’ny Coronavirus izao.

Famokarana Oxygène : tokony hirosoan’ny fitondram-panjakana

0
Tokony hirosoan’ny fanjakana ny fananganana orinasa mamokatra oxygène ilaina eny anivon’ny tobim-pahasalamana raha ny fanahoan-kevitr’ireo mpitsabo androany. Ahiana tsy aharaka ny filana ny oxygène misy ankehitriny raha toa ka mitombo ny isan’ireo marary mafy noho ity valan’aretina Cronavirus ity raha ny fanazavana.

Ady amin’ny Covid-19 : nivoaka ny tatitry ny vola efa voaray

0
ivoaka ny tatitry ny famatsiam-bolan’I Madagasikara entina miady amin’ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19. Amin’ny ankapobeny, avy amin’ny FMI ny ampahany betsaka amin’izany raha ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny toekarena sy ny vola omaly. Tsy mbola mamaly kosa ny fitakian’ny fiarahamonim-pirenena mivondrona eo anivon’ny STEF na ny Suivi de la Transparence et de l’Effectivité des Fonds alloués aux réponses à la Covid-19 ity tatitra ity raha ny fanadihadiana natao androany noho ny tsy fahampian’ny votoatiny.

Ady amin’ny Covid-19 : famatsiam-bola 446.7 tapitrisa dolara no andrasan’i Madagasikara

0
Entina aminao ao anatin’ny fanadihadiana manaraka kosa indray ny mikasika ireo famatsiam-bola izay mbola andrasan’i Madagasikara. Raha ny antontanisa nivoitra tao anatin’ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny tetibola sy ny vola, mitentina 466.7 tapitrisa dolara izany.

Fitaterana entana : mahazo laka ireo fiara « sprinter »

0
Mahazo laka eo amin’ny fitaterana entana eto Madagasikara ankehitriny ireo fiara sprinter izay nitondra olona teo aloha. Miantso ny minisitera tomponandraikitra ny Association des Transporteurs Camionneur manoloana ireo sprinter aman-jatony mitondra entana.

« Microcebus Jonahi » : karazany faha-113 amin’ny varika hita teto Madagasikara

0
Nisy karazana varika na Lémurien vaovao hita teto Madagasikara, izay karazany faha-113. Tamin’ny alalan’ny fikarohana notontosaina siantifika 27, iray amin’ireo teratany Malagasy, no nahitana izany. « Tsiditsidy » no anarany, ary « Microcebus Johani » no anarana siantifika iantsona azy. Ankoatra izay, navoakan’ny Futura Planète izay tranokala miompana amin’ny siansa sy fikarohana tamin’ity herinandro ity, fa misy fossile mitovy fianakaviana amin’ny Dinosaure ihany koa hita teto Magakasikara.

Pylône Antsahatsiresy : mitohy ny fanoheran’ny mponina ny fananganana pylône

0
Mitohy hatrany ny fanoheran’ny mponina ny fitsanganan’ny Pylone lehibe iray ao Antsahatsiresy, kaominina Sabotsy Namehana. Tonga nijery ny zava-misy teny antoerana androany ny solombavambahoakan’Avaradrano. Ity farany izay nanamafy fa tsy azo ekena ny fipetrahan’izany anaty tanàna toy izao. Ny didim-pitsarana no hamaritra ny fiverenan’ny asa na tsia hoy ny tomponandraikitra misahana ny fanatontosana ny asa.