vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 31 juillet 2020

Mpivarotra zava-pisotro : mitohy ny fanakatonana ireo mandika lalàna

0
Taorian’ny fanapahan-kevitra nolazain’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta ny Alahady teo, mitaraina ireo tompona toeram-pivarotana zava-pisotro ara-dalàna. Lafo hoy izy ireo ny hetra aloan’izy ireo saingy mahatsiaro tena ho ankilabao ireo mpandraharaha ireo. Etsy ankilany, nanamafy ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena fa tsy miova ny baiko hatreto. Mihidy avokoa ireo izay mbola tsy voalaza tao anatin’ny fepetra ny Alahady teo.

Ambatondrazaka : zazavavy 16 taona bevohokan’ny rainy

0
Any Ambatondrazaka, vehivavy kely 16 taona no naolan’ny Rainy ka bevohoka ankehitriny. Efa lehibe ny kibony vao nentina tany amin’ny renin-jaza ary fantatra fa mitoe-jaza. Nitory ny vadiny, izay nahavanon-doza avy hatrany ny renim-pianakaviana.

Mpampanofa vatana : sahirana amin’ny fanatanterahana ny asany

0
Misedra olana amin’ny fanatanterahana ny asany ireo mpampanofa vatana eto an-drenivohitra manolohana ny valan’aretina coronavirus. Isan’ny amin’izany ny fotoana voafetra ahafahan’izy ireo manao izany, eo ihany koa ny tsy fahampiany fitaovana ho azy ireo amin’ny fanarahana ny fepetra ara-pahalasamana amin’izao fisihan’ny covid-19 izao.

Nosy Be : mety hisokatra ny volana Oktobra ny sidina

0
Notanterahina androany tao Nosy Be ny fihaonan’ny FIlohan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ireo mpandraharaha ara-toekarena misehatra eo amin’ny fizahantany. Teboka maro no nangatahan’ireto farany vahaolana amin’izao fiatrehana ny valan’aretina izao sy ny fanarenana indray ny toekarena aorian’ny Krizy ara-pahasalamana. Tsy maintsy ho jerena avokoa izany hoy ny filoha ary isan’ny hatao laharam-pahamehana amin’izany ny fizahantany ao Nosy Be. Mety hisokatra ny volana Oktobra ho avy izao ny sidina ao an-toerana.

Ravinala Airports : afaka averina dinihana ny fifanarahana tamin’i Madagasikara

0
Nambaran’ny minisiteran’ny fitaterana fa isan’ireo fifanarahana afaka haverina dinihana ny fifanarahan’i Madagasikara tamin’ny Ravinala Airports, amin’izao fotoana hametrahana ny paikady hanarenana ny kaompania Air Madagascar izao. Ny Ravinala Airports izay mitantana ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy Be, nanomboka ny taona 2016 ary mandritry ny 28 taona. Ity farany ihany koa izay maka « redevances » lafo indrindra aty amin’ny Ranomasimbe Indiana.

Tsena isan-kerinandro : tsy maintsy mifarana amin’ny 1 ora tolakandro

0
Na niverina aza ny tsena isan-kerinandro eto amin’ny fiadidian’ny tanànan’Antananarivo, maro ireo fepetra napetraka hoy ny talen’ny tsena. Misy ny mpanra-maso amin’ny fampiharana izany ary amin’ny 1 ora tolakandro tsy maintsy madio ny toerana avy nivarotana.