vendredi 19 avril 2024
Accueil 2020 juillet

Archives mensuelles: juillet 2020

Madagasikara : hapetraka ny « Plateforme Huiles Essentielles »

0
Tontosa androany ny fihaonana teo amin'ny Ministera sy ireo orinasa miisa 55 mpikambana ao amin'ny GEHEM manerana an'i Madagasikara. Fihaonana izay tafiditra ao anatin'ny fametrahana rindran-damina vaovao entin'ny Ministera hanatanterahana ny vinan'ny Filohampirenena : "Madagasikara maitso". 

« Borne fontaine » : ho 20 Ariary ny vidin’ny rano 20 litatra amin’ireo boriboritany 6

0
Tontosa androany ny fampafatarana amin’ny foba ofisialy  ny tetik’asa Avotr’Aina , izay fiarahamiasa ny Kaominina Antananarivo renivohitra, ny ministera ny rano sy ny UNICEF. Ao anatiny 3 volana ho  avy,  20 ariary ny vidin’ny rano  20 litatra  na 1 bidon eny amin’ireo fotodrafitrasa mamatsy rano ho an’ny daholobe na ireo atao hoe « borne fontaine »  amin’ny boritany 6 eto Antananarivo.    

BENAIVO Andrianaly Narcisse : izy no hisolotena ireo Solombavambahoaka eny amin’ny CENI

0
BENAIVO Andrianaly Narcisse no nosafidin’ireo Solombavambahoaka hisolotena azy ireo eny anivon’ny Birao mahaleotena misahana ny fifidianana CENI, araka ny fifidianana notanterahin’ireo Solombavambahoaka androany teny amin’ny fivoriana ara-potoana. Hisolo ny toeran’ny filoha lefitry ny CENI avy hatrany izy ary hanapitra ny fepotoam-piasana hatramin'ny volana oktobra 2021. Na teo aza ny fifanolanana nisy teo amin’ny fanatanterahana ny fifidianana mahakasika ny fanatanterahana ny « Vote par procuration » ho an’ireo Solombavamlbahoaka tsy tonga, nizotra ampilaminana ny fifidianana.