Archives quotidiennes: 3 août 2020

Tsarasaotra – Antsirabe : mitaraina noho ny loto sy ny tsy fandriampahalemana ny Sefo Fokontany

0
Nitondra fitarainana ny lehibem- pokontany   ao Tsarasaotra Antsirabe renivohitra . Fa msiy olona manary maloto amin’ny sachet eo amin’ny fokontany izay hiadidiany. Eo ihany koa ny tsy fandriam-pahalemana manjaka  any an-toerana.

Ambatondrazaka : olona 02 lahy no sarona nanamboatra menaka hosoka

0
Olona 03 no saron’ny Polisim-pirenena ao Ambatondrazaka ka natolotra ny fampanoavana avy hatrany . Ny 02 lahy sarona tamin’ny fanamboarana menaka sakafo hosoka, ny 01 hafa kosa mpamatsy fitaovam-piadiana nandritra ireo fanafihana mitam-piadiana nifanesy tao an-toerana ny herinandro lasa teo. 

Toamasina : hanomboka ny alatsinainy izao ny adina ara-panatanjahantena – BEPC

0
Hanomboka rahampitso ny adina ara-panatanjahantena ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinam-panjakana BEPC any Toamasina araka ny nambaran’ny lehiben’ny CISCO Toamasina I. Tsy tokony hanana ahiahy ny Ray aman-dReny fa efa mipetrapetraka avokoa ny fepetra rehtra raha ny fanazavana.

Fitaterana entana : mahazo laka ireo fiara « sprinter »

0
Mahazo laka eo amin’ny fitaterana entana eto Madagasikara ankehitriny ireo fiara sprinter izay nitondra olona teo aloha. Miantso ny minisitera tomponandraikitra ny Association des Transporteurs Camionneur manoloana ireo sprinter aman-jatony mitondra entana.