Archives quotidiennes: 4 août 2020

Fanarenana ny fefiloha : efa manomboka ny asa ny eo anivon’ny APIPA

0
Efa miroso amin’ny fanaraha-maso sy fanarenana  ireo fefiloha hiatrehana ny vanim-potoan’ny fahavaratra ny eo anivon’ny APIPA ankehitriny. Androany ny fefiloha teo Andranoabo no nasiam-panarenana. Mitohy ihany ankilany ireo asa fanadiovana lakan’drano  izay andraikitry ny APIPA na eo aza ady atao amin’ny valan’aretina covid-19.

Boriboritany faha-VI : tokantrano 28 000 no hisitraka ny sosialim-bahoaka

0
Nanomboka ihany koa ny fizarana sosialim-bahoaka ho an’ny boriboritany faha-6. Fianakaviana 1 200 avy amin’ny Fokontany 3 teny an-toerana no nahazo fanampiana androany. 28 000 ny fianakaviana hisitraka izay ho an’ny boriboritany faha-6. Hitohy isan’andro arak’izany ny fizarana hoy ny solombavambahoaka.

Sosialim-bahoaka : misolo Vatsy Tsinjo ny fanampiana 30 000 Ariary

0
Nitondra fanazavana mikasika ny fanampiana sosialim-bahoaka androany ny governoran’I faritra Analamanga. Araka izany, tsy misy intsony ny fizarana ny sosialim-bahoaka 30 000 Ariary ary nosoloina vatsy tsinjo izany ho fanampiana ny isan-tokatrano amin’ny fihatrehana ny fihibohana. 

PADEVE : vinavinaina ho vita amin’ny novambra 2021 ny asa rehetra amin’ireo tanàn-dehibe 3

0
Mizotra hatrany ireo asa fanamboarana sy fanajariana ao anatin’ny lamin’asa PADEVE amin’ireo tanàn-dehibe telo misitraka izany. Ho an’ny tanànan’Antsiranana, 64% ny asa rehetra amin’ny ankapobeny no vita, Toliara, 72% ny asa rehetra no efa tanteraka, manakaiky izay ihany koa ny tahan’ny asa efa vita ao Fianarantsoa. 

Fanavahana fako : ahazoana hatramin’ny 30 000 Ariary anatin’ny iray andro

0
Asa iray ahazoana hatramin’ny 30 000 Ariary isan’andro ny fanavahana fako araka ny resaka nifanaovan’ny mpanao gazety tamin’i RAZANATSIMA Louisette, izay nanao ity asa ity nandritra ny 20 taona. Misy fiantraikany amin’ity seha-pihariany ity ny fisian’ny valan’aretina Coronavirus raha ny nambarany.

RAJOELINA Andry : nizara « sosialim-bahoaka » ho an’ny tokantrano 40 000

0
Tokantrano miisa 40.000 no nisitraka sosialim-bahoaka teny amin’ny boriborintany fahadimy, teto Antananarivo. Androany, nirotsaka an-tsehatra nizara izany  ny Filoha Andry Rajoelina mivady teny amin’ny Colesium Antsonjombe. Nohamafisiny nandritra izay fa tsy maintsy misitraka sosialim-bahoaka avokoa ireo fianakaviana marefo rehetra.

Volamena : tafiakatra 54 000 euros ny kilao eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena

0
Tafiakatra hatramin’ny 54 000 euros ny vidin’ny kilaon’ny volamena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Antony ny fisian’ny valanaretina Covid 19 sy ny ady misy eo amin’ny amerikana sy ny sinoa. Etsy ankilany, olana iray mampitontongana ny lanjam-bola eto Madagasikara ny tsy fananany reserves d’or raha ny fanazavan’ny mpahay toekarena.