Archives quotidiennes: 10 août 2020
Ady amin’ny Coronavirus : « concentrateur d’oxygène » miisa 563 no efa tonga
Nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato androany marina ny fitaovana maro entina miady amin’ny valan’aretina covid-19. Fitaovana toy ny concentrateur d’oxygène sy ny masque à oxygène à haute concentration miisa 563 izany haparitaka any amin’ireo faritra maro ahitana ny tsimonkaretina coronavirus.
Hampindrana tany ny tantsaha ny minisitera
Ahitana vokatsoa ny fampiarahana ny fanamaintsoana sy ny fampiasana ny hazo amin’ny filana , amin’ny fanodinana ny ento-menaka. Isany nahitana izany ny tany amin’ny faritra Matsiatra ambony. Ny tsy fahampian’ny tany entina manantanteraka izany anefa no olana ho an’ireo mpamokatra. Hisy arak’izany ny fametrahana fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha na tantsaha amin’ny fampindramana ny tanin’ny Ministera izay hametrahana ny tanjona fanamaintsoana no sady tsy misakana ny rohim-pihariana.
MATP: nidina ifotony nanantontosa fanisana sy fanadihadiana
Fokontany 7 amin’ny boriboritany fahatelo no hiandraiketan’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy amin’ilay lamina vaovao entina hanamboarana ny lisitra vaovaon’ireo mponina hisitraka ilay fanampiana « sosialim-bahoaka ». Nitohy tamin’ity androany ity ny fanaovana fanadihadiana sy fidinana nataon’ireo mpiasan’ny ministera. Tanatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana tanteraka ny nanantontosana izany.
Hypochlorite de Calcium : tsy maharaka ny toeram-pamokarana azy
Isany akora simika ampiasaina amin’ny famendrahana ranom-panafody sy ny fanadiovana amin’izao fotoana izao ny HYPOCHLORITE DE CALCIUM. Tsy maharaka ny famokarana izany nandritra ny fotoana nampirongatra ny Covid-19 araka ny fanazavana azo avy amin’ny orinasa mpamokatra nanaovana fanadihadiana. Ampy hiatrehana ny 6 mbolana manaraka ankilany ny Stock de prepositionnement raha ny eo anivon’ny BMH manokana.