vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 11 août 2020

10-08-91 : feno 29 taona androany ny rodoben’ny fahafahana

0
10 Aogositra 1991 – 10 Aogositra 2020. Feno 29 taona androany ny rodoben’ny fahafahana na ny grande marche du 10 Aout sur Iavoloha . Hetsika izay nahafatesana olona maro manoloana ny lapan’Iavoloha. Araho ao anatin’ny fanadihadiana ary ny mikasika izay.

Antsirabe : misedra olana ireo tantsaha mpamokatra

0
Misedra olona ireo tantsaha mpamboly karaoty sy ovy ao amin’ny ny Kaominina Ambano faritraVakinankaratra amin ’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Manodidina ny 3 alina Ariary ny iraygony amin’ny Karaoty any an-teorana ankehitriny raha toa ka 5 alina Ariary izany teo aloha.

Barrage sécuritaire : hiompana amin’ny fampandriana fahalemana ihany koa

0
Ankoatra ny fanaraha-maso ireo fiara miditra sy mivoaka ny faritra Analamanga, hiompana amin’ny fampandriana fahalemana ihany koa ireo mpitandro filaminana manao ny « barrage sécuritaire » raha ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.

MAE : mihoatry ny 1600 ireo teratany Malagasy tsy maintsy hampodiana an-tanindrazana

0
Mihoatry ny 1600 ireo teratany Malagasy any ivelany tsy maintsy haverina eto an-tanindrazana. Efa eo am-pelatanan’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny sy ireo Masoivoho isan-karazany ny lisitra ka miankina amin’ny toe-draharaha sy ny fahasarotana iainana any amin’ny firenena no hametrahana ny laharam-pahamehana amin’ny fampodiana azy ireo. Ny 15 Aogositra ho avy izao ny fampodiana voalohany araka izay fanapahan-kevitra ho raisin’ny Minisitera.

Fosokafan’i Nosy Be : efa maro ny mpizahantany namadri-toerana

0
Maro amin’izao fotoana izao ny famandrihan-toerana ataon’ireo mpizahatany maniry ny hitsidika an’i Nosy Be. Taorian’ny naneken’ny filohan’ny Repoblika ny hisokafan’ny sidina ny volana oktobra izao, nambaran’ny CTM na ny Confédération du Tourisme Madagascar fa efa vonona ny mpisehatra amin’ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalama rehetra. Na izany aza, maro no tsy mbola afaka mamerina tahaky ny teo aloha ny mpiasa ao aminy nohon’ny fatiantoka nisy.

Sosialim-bahoaka : hiverina manomboka ny alarobia ho avy izao ny fizarana

0
Hiverina manomboka ny alarobia izao ny fizarana ny « Sosialim-bahoaka » eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina, taorain’ny fiatoana noho ny fandaminana sy ny fanatsarana natao. Na eo aza izany, mitohy hatrany ny fitetezana tokan-trano sy ny fanaovana « Digitalisation » ny lisitry ny mponina.

Coronavirus : 10 hatramin’ny 15 isa sisa ireo mpianatra zandary mitondra izany ao Ambositra

0
Miisa 10 hatramin’ny 15 isa ankehitriny ireo mpianatra ho zandary mitondra ny tsimokaretina Coronavirus raha toa ka manodidina ny 263 izany teo aloha. Ny fandraisana an-tanana ireo mpianatra marary tao anatin’ny fotoana aingana eo ihany koa ny fiaraha-mihentan’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena no nahafana nitsabo ireo mpianatra sitrana ireo.