vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 12 août 2020

Concentrateur d’oxygène : manamora ny fandraisana an-tanana ireo marary

0
Tsy mila générateur d’oxygène intsony ary afaka ampiasaina amin’ireo toeram-pitsaboana rehetra misy herinaratra ireo « concentrateur d’oxygène » ampiasaina ankehitriny hanampiana ireo olona marary anatin’ny forme grave vokatry ny coronavirys raha ny fanadihadiana natao.

Toamasina : tratra ireo olona namono mpandraharaha tamin’ny fomba feno habibiana

0
Naiditra am-ponja vonjimaika ireo 3 lahy izay namono mpandraharaha MANANA JEAN RICHELIN ny 20 jona lasa teo. Olona akaiky azy ihany izao nahavanon-doza izao raha ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana

Fiantohana ny fitaterana ny mpiasa : misedra olana avokoa ny orinasa rehetra

0
Mavesatra amin’ny orinasa tsy miankina ny fiantohana manontolo ny fitaterana ny mpiasa araka ny lamina napetraky ny fitondram-panjakana farany teo. Ankoatran’ny vesatra mianjady azy ireo amin’ny fampandehanana ny orinasa anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, tsy maintsy hanokanana teti-bola ny fitaterana ny mpiasa araka ny fanadihadiana. Isany misedra olana toy izay ihany koa ny sampandraharaham-panjakana isan-tokony.

Hetsika Sosialim-bahoaka : niverina nanomboka androany ny fizarana

0
Niverina nanomboka tamin’ity androany ity ny fizarana ny sosialim-bahoaka teto Antananarivo ka tao amin’ny kianjana Antanikatsaka Itaosy no nanatanterahana izany. Hifanindran-dalana ny fizarana ireo fanampiana sy ny fanadihadiana isan-tokantrano hahafahan’ny rehetra misikatra izany hoy ny tomponandraikitra.

Sehatry ny fanjifana : hamafisina ny fitakiana ny « Autorisation de Mise en Commercialisation »

0
Mitohy hatrany ny ezaka hanatsarana ny sehatry ny fanjifana sy ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa eto Madagasikara. Ankoatran’ny fanamafisana ny fitakiana ny Certificat de consommabilité, nivoaka omaly ny taratasy fampahatsiahivana ny mpamokatra sy ny mpanafatra ny fivarotana ny entana tsy nahazoana ny fahazoan-dalàna mivarotra na ny Autorisation de Mise en Commercialisation.