Archives quotidiennes: 14 août 2020

Orinasa afak’haba : nihena 10.1% ny vidin’ny entana aondran’i Madagasikara.

0
Misedra olana ny tontolon’ny orinasa afak’haba manoloana ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19. Ankoatry ny fihenan’ny vokatra, mihena ihany koa ny vidin’ny entana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy ny tahan’ny fanafarana entana ilaina amin’ny famokarana. Ho an’ny orinasa tsy miankina iray mpamokatra akanjo nanaovana fanadihadiana, mihena hatramin’ny 50% amin’izao ny famokarana.

HCJ : hitohy ny fandinihina ny antontan-taratasy fitoriana tompon’andraiki-panjakana ambony

0
Antontan-taratasy fitoriana tomponandraiki-panjakana ambony maro no efa tonga eny anivon’ny vaomierana manokana misahana ny fiampangana manoloana ny fitsarana avo. Miato avokoa noho ny hamehana ara-pahasalamana ny fandinihin’ny solombavambahoaka ny antontan-taratasy. Hirosoana ny fijerena izay, ary isany harahi-maso manokana ny mahakasika ny praiminisitra teo aloha MAHAFALY Solonandrasana, hoy ny filohan’ny kaomisiona.

Ankorondrano-Andranomahery : namidin’ny sefo Fokontany 2000 na 3000 Ariary ny Carnet

0
Raha toa ka nilamina ny fizarana sy Sosialim-bahoaka teny amin’ny Boroboritany fahatelo ny maraina teo, nahitana korontana sy savorovoro izany ny hariva teo. Antony, namoaka Carnet vaovao efa misy fitomboka izay namidy tamin’ny 2000 hatramin’ny 3000 Ariary ny Sefo Fokontany sy ny mpiara-miasa aminy tao Ankorondrano Andranomahery. Tranga izay tsy ekena ary mahavoasazy.

Famatsian-drano : 180 000 dollars no natokan’ny Unicef hampiasaina eto an-drenivohitra

0
Nofaritana ho 1 Ariary ny litatry ny rano manerana ny paompy eto andrenivohitra mandritra ny 3 volana. Fiarahamiasan’ny minisiteran’ny rano, ny kaominina Antananarivo ary ny Unicef anatin’ny ady amin’ny Covid-19. Mitentina 180 000 Dollars ny vola natokan’ny Unicef amin’izay ka manodidina ny 5 hetsy ny mpisitraka.

Boriboritany faha-3 : manomboka ny fizarana sosialim-bahoaka

0
Nanomboka androany ny fizarana sosialim-bahoaka ho an’ny boribortany fahatelo. Miisa 2 000 no nisitraka izany androany ary hitohy hatrany ny fizarana raha ny fanazavana. Tokony ahazo avokoa ny rehetra saingy ireo efa nisitraka tosika fameno no tsy mahazo izany intsony hoy ny tomponandraikitra.

Manarintsoa Isotry : trano hazo miisa 3 kilan’ny hafo

0
Toerana fanodidinana sy fitehirizana asa tanana Malagasy iray no nirehitra androany maraina teny amin’ny Fokotany Manarintsoa Isotry. Kilany afo avokoa ireo fitaovana rehetra teny an-toerana. Na izany aza tsy nisy ny aina nahafohy vokatr’io firehetana io.