Archives quotidiennes: 18 août 2020

Mpamily amin’ny zotra nasionaly sy rezionaly : manomboka amin’ny fiomanana

0
Raha toa ka ny Alarobia ho avy izao no hivory ny mpamily amin’ny zotra nasionaly sy rezionaly, ary nyeo anivon’ny ATT, mikasika ny mety hiverenan’ny fiasan’izy ireo ; efa manomboka miomanaamin’izao fotoana izao ireo mpamily sy tomponandrakitra misahana ny fitaterana ny amin’izany. Hisyraha ny fanazavana ny lamina ara-pahasalamana hapetraka. Teboka maromaro ihany koa no hiova,isan’izany ny saran-dalana.

Masoivoho Japoney : ho jerena ny fahafahana mamerina ireo Japoney hiasa eto Madagasikara

0
Ho jerena ny fahafahana mamerina ireo Japoney miasa amin’ireo tetikasam-pampandrosoana syorinasa eto Madagasikara. Ho jerena manokana ihany koa ny mifanaraka izay ireo fepetra sy lalànamifehy ny asa noh izy ireo nalefa ho « chômage technique ». Io no nivoitra nandritra ny fihaonanateo amin’ny Masoivoho Japoney monina sy miasa eto Madagasikara sy ny Minisitry ny asa sy nyfampananan’asa androany.

Lalana eo Ambodivona : amboarina hatao rarivato

0
Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ary hahritra 90 andro ny fanamboarana ho « pavé » nyLalana eo Ambodivona. Misy ny lamina napetraka mikasika ny fahatapahan’ny lalana sasan-tsasanymandritry ny fanamboarana. Etsy ankilany, hamboarina ihany koa ny lalana eo amin’ny Rasalamamankany Mahazoarivo iny sy ny lalana Tsimbazaza-Ankadilalana.

Minisitry ny atitany : fanomezana avy amin’ny PNUD fa tsy volan’ny CCO ireo fitaovana

0
Nitondra fanazavana momba ireo antotan-taratasy miparitaka amin’ny tambazotran-tserasera maha voatonontonona azy ny minisitry ny atitany androany. Nambarany fafanomezana natolotry ny PNUD ireny fitaovana ireny fa tsy nisy vola nivoaka tamin’ny CCO.

Sambo WAKASHIO rendrika : handefa fitaovana any Maorisy i Madagasikara

0
Handefa fitaovana hanampiana an’i Maorisy amin’ny fitantanana ny solika mavesatra very nandritrany faharendrehan’ny sambo MV Wakashio i Madagasikara. Fitaovana izay hanampy betsaka amin’nyfitsohana ny solika mavesatra hiarovana ny mety ho fiantraikany amin’ny harena an-dranomasina.Efa vonona ny fitaovana hoy ny teo aivon’ny OLEP, saingy misy ny fombafomba tsy maintsy arahanamialohan’ny andefasana azy.

Fidinan’ny vidin-drano eto Antananarivo : tokony hotazonina hoy ireo mpisitraka

0
Ankoatry ny isan-tokantrano, isan’ny mahazo tombotsoa amin’ny fidian’ny vidin’ny rano etoAntananarivo renivohitra ireo mpanasa lamba. Manoloana izany, tokony ho tazoninaamin’ny vidiny ankehitriny ny rano hoy izy ireo ho fanampiana ny fianazkaviana sahirana.

MNP : mandeha ny fandaminana ny fepetra ara-pahasalamana anatin’ny valan-javaboahary

0
Efa miomana amin’ny fandraisana ny mpizahantany anatin’ny valanjavaboahary 2 tantaniny ao NosyBe ny MNP na ny Madagascar National Parks. Ankoatran’ny fampanajana ny fepetra ara-pahasalamana, maro ny rindran-damina vaovao napetraka. Isan’izany ny fampihenana nympizahatany azon’ny mpitari-dia oentina mandritra ny fitsidihina.