vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 21 août 2020

Governemanta : lasa 25 ireo minisitra raha toa ka 24 teo aloha

0
Governemanta : lasa 25 ireo minisitra raha toa ka 24 teo aloha Notendrena ary nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany ireo mpikambana vaovao handrafitra ny Governemanta Malagasy. Minisitra 04 ; ny Minisitry ny mponina, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena ary ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny fampiofanana arak’asa. 

Magro Behoririka : teboka 2 mazava ny antony nanakatonana azy

0
Teboka 2 lehibe no isany nanakatonan’ny sampandraharaha ankapoben’ny hetra ny Magro Behoririka. Isan’izany ny tsy fanaovana ny fanambaram-pisiana mazava na ny déclaration d’existence mazava.  Hiitatra ny fanakatonana mandritra ny 15 andro raha tsy misy ny fampanarahan-dalanan’ny orinasa eo amin’izay antontan-taratasy samihafa izay.

Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara : ny hampandroso an’i Madagasikara no tanjona

0
Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara : ny hampandroso an’i Madagasikara no tanjona Taorian’ny fanendrena ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny Governemanta Ntsay Christian, nampahafantatra ireo fandaharan’asa ankapoben’ireo Minisitera izay ho sahanin’izy ireo ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara.  Tanjona ny hampandroso an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo Vina sy Velirano natao tamin’ny vahoaka Malagasy.  

Avaradrano : nanomboka tamin’ny fomba ofisialy androany ny fizarana Sosialim-bahoaka

0
Avaradrano : nanomboka tamin’ny fomba ofisialy androany ny fizarana Sosialim-bahoaka Taorian’ny fampiatoana noho ny fandaminana tsy maintsy natao, natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany ny fizarana sy ny Sosialim-bahoaka ho an’ny Distrika Avaradrano ka ny ao Alasora no nanombohana azy. Olona manodidina ny 2000 no nisitraka fanampiana androany ary mbola hitohy rahampitso. Aorian’izay vao hiroso amin’ireo Kaominina hafa mifanolo-bodirindrina amin’ny Antananarivo renivohitra. 

“ Zone Suburbaine” : hamafisina ny fepetra ara-pahasalamana amin’ny ny asa fitaterana

0
Miomana amin’ny fiverenana amin’ny asam-pitaterana ireo zotra “ suburbaine” ankehitriny na tsy mbola fantatra aza ny fotoana ahafahan’izy ireo manao izany. Tafiditra ao anatin’ity fiomanana ity, ny fanamafisana ireo fepetra ara-pahasalamana eo ihany koa ny fampatsiahivina ireo lalàna mifehy ny fitaterana.