vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 24 août 2020

Menaka azo avy amin’ny zava-maniry : miroborobo ankehitriny

0
Miroborobo amin’izao fotoana izao ny sehatry ny famokarana menaka azo avy amin’ny zava-maniry. Tanora iray monina sy mipetraka ao Antsirabe no manao asa tena misehatra manokanaeo amin’ny famokarana izany no entintsika manaraka izao.

Fifamoivoizana Canal de Pangalanes : niverina nisokatra

0
Niverina nisokatra ny fahafahana mivezivezy ao amin’ny lakan-dranon’i Pangalanes any amin’ny faritra Atsinanana rehefa nikatona nandritry ny 5 volana. Lakan-drano izay mampifandray ny Distrikan’I Toamasina I amin’ireo distrika 4 mianatsimo Atsinanan’ny Nosy.

Paositra any Ambondromamy : hisokatra afaka 9 volana

0
Isan’ireo toerana misedra ny olan’ny fikirakirana vola , ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny fandefasana taratasy sy entana ny any Ambondromamy. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena amin’ny fanaraha-penitra ny isam-paritra, hitsangana afaka 9 volana ny biraon’ny paositra any an-toerana.

Vaky fonja tany Farafangana : voafonja 20 namoy ny ainy

0
Voafonja 20 no lavon’ny mpitandron’ny filaminana tany Farafangana ny atoan-dro teo vokatry ny fahavakisan’ny fonja tany an-toerana. Mitohy ny fitadiavana ireo voafonja tafatsoaka ankehitriny, izay tsy mbola fantatra mazava ny isan’izy ireo. Taorian’ity tranga ity, naka fepetra ny tomponandraikitra fa tsy maintsy mitondra karapanondro avokoa izay mivoaka ny trano.