mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 25 août 2020

Fanadinam-panjakana CEPE : miroso ny fanomanana rehetra

0
Miroso ny fanomanana rehetra hiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE amin’izao fotoana izao araka ny nambaran’ny tomponandrikitra. Hanomboka rahampitso ny fizarana ny Convocation ho an’ny mpinatra hanala ny fanadinana. Ao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra ihany koa ankilany no hanatanterahan ny fanadinana manerana ny Nosy.

Ambovombe Androy : miroso ny fametrahana ireo fotodrafitr’asa fampandrosoana

0
Mandeha ny asa fametrahana fotodrafitr’asa hahafahana mampandroso ny faritra ao Ambovombe Androy hoy ny Kestora Voalohan’ny Antenimierampirenena nandritra ny fitsidihana nataony. Tsy mandeha anefa ny fampandrosoana raha tsy misy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny isam-batan’olona.

Mpifindra monina an-tsokosoko : olona 17 no saron’ny Zandarimariam-pirenena

0
Olona miisa 17 nikasa handeha an-tsokosoko ho any Mayotte no tratehaky ny zandarimariam-pirenena any Ambanja ny Sabotsy lasa teo. Tratra tahak’izay ihany koa ilay sambo nokasana hiondranan’ireo olona ireo. Misy 3 hafa mbola karohana raha ny fanazavana.

CUA : polisy mosipaly miisa 100 no ho raisina amin’ity taona ity

0
CUA : polisy mosipaly miisa 100 no ho raisina amin’ity taona ity  Polisy monisipaly miisa 100 no fantatra fa ho raisin’ny eo anivon’ny kaominina an’Antananarivo renivohitra amin’ity taona ity ho fanatevenan-daharana ireo polisy monispaly misy ankehitriny. Natao izany ho fandrindrana sy fanamafisana ny fitandrona ny filaminana eny anivon’ny fiarahamonina. 

Famonoana gadra tao amin’ny fonjan’i Farafangana : melohin’ny CNIDH

0
Melohin’ny CNIDH ny tranga famonoana ireo gadra nikasa itsoaka tao amin’ny fonjan’ny Farafangana omaly. Na inona na inona antony hoy izy ireo, zon’ny tsirairay ary tsy azo esorina aminy ny aina. 

Fiverenan’ny taxibe sy taxibrousse : mandeha ny fanomanana

0
Maro ny lamina napetraka amin’ireo toeram-piantsonan’ny taxibrousse ho fanatanterahana ny toromarika avy amin’ny fitondram-panjakana. Ho an’ny gare routière makis, misy ny logiciel vaovao ampiasaina. Ankoatra izay,  nanomboka androany ihany koa ny fandrarahana fanafody ho an’ireo taxibe eto Antananarivo.