vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 27 août 2020

Moheli Comores : teratany malagasy miisa 7 nogadraina, tsy fantatra mazava ny antony

0
Teratany Malagasy miisa 7 no nogadraina ao amin’ny fonjan’i Mohéli Comores nanomboka ny volana Jona lasa teo hatramin’izao. Hatreto, tsy fantatra mazava ny antony hitanana azy 7 mirahalahy am-ponja, ary miova hatrany ny vesatra hanenjehana azy ireo.

Fitateram-bahoaka : niverina miasa nanomboka androany

0
Andro voalohany iverenan’ny fiara fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Na teoa za ireo vitsivitsy tsy nanaja ny fepetra napetraka, amin’ny ankapobeny, niezaka nanaja izany avokoa ny maro. Tsy nisy ny fiakaran’ny saran-dalana ary hita tany anatin’ny fiara avokoa ny fitaovana rehetra entina miady amin’ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19.

Fitondrana hazo sarobidy tsy ara-dalàna : fiara lehibe 3 sarona teny Bongatsara

0
Hazo sarobidy toy ny « palissandre » miisa 281 sy karazan-kazo hafa miisa 293 no saron’ny Sampandraharaha miady amin’ny kolikoly eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy andro vitsy lasa izay teny Bongatsara amin’ny lalampirenena faha-7. Nosamborina ny tompon’ireo hazo sy ireo mpamily ary anaovana fanadihadiana lalina ankehitriny.

Antenimiera : nanomboka androany ny fivoriana tsy ara-potoana

0
Nanomboka androany ary haharitra 12 andro ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoana atrehin’ny Antenimiera roa tonta araka ny fampiantsoan’ny governemanta azy ireo. Ny volavolan-dalàna laharana 001-2020 no isany lahadinika amin’izany ka hananganana ny « Commission Mixte Paritaire».

Tsaradia : mpandeha maherin’ny 300 no efa nanjifa tapakila tao anatin’ny 48 ora

0
Maherin’ny 300 no efa nanjifa tapakila na billet d’avion teo amin’ny kaompaniam-pitaterana Tsaradia tao anatin’ny 2 andro, taorian’ny nanambaran’ny Filohan’ny Reboblika ny fisokafan’ny sidina anatiny. Na efa dingana lehibe ho an’ny toekarena aza ny fisokafany, vinavinain’ny eo anivon’ny Tsaradia fa afaka 2 taona any ho any vao hiverina amin’ny laoniny ny sehatry ny fitaterana an’habakabaka eto amintsika. Amin’izao fotoana izao, miverina manazatra mpanjifa ireto farany.

Village Voara : manomboka miverina ny filaharana

0
Miverina ny filaharana etsy amin’ny Centre Médical Covid 19 Andohotapenaka io maraina io. Raha ny fanadihadiana natao teny an-toerana, ireo olona ahitana soritr’aretina sy alefan’ny mpampiasa amin’ny ankapobeny ireo olona tonga milahatra.

Zotra RN2 : amin’ny alalan’ny antso antaribihy ny famandrian-toerana rehetra

0
Amin’ny alalan’ny antso antaribihy no ahafahana mamandri-toerana raha toa ka handeha amin’ireo zotra izay hisokatra manomboka ny Sabotsy ho avy izao. Efa misy raha ny fanazavana ny lamina samihafa manaja ny fepetra ara-pahasalamana amin’ny fanantontosaina izany. Etsy ankilany, nisy nandritra ireny fotoanan’ny fihibohana ireny ny fandehanana an-tsokosoko miditra eto Antananarivo raha ny fanadihadiana.