Archives quotidiennes: 28 août 2020

Mpitatitra entana : nitombo avo telo heny ny vola niditra tato anatin’ny iray volana

0
Nitombo avo telo heny ny vola niditra tamin’ireo dokera sy mpitarika sarety noho ny fisian’ny hetsika sosialim-bahoaka. Fomba fiasa tsy tahaka ny mahazatra no hampiarina, misy ihany koa ny fifanarahana atao amin’ny tompon’entana raha ny fanadihadiana natao.

Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany : nohatsaraina ny fitsinjarana ireo vola azo

0
Fampandrosoana ifotony sy ny hahazoana vola bebe kokoa no tanjona amin’ny fametrahana ny lalàna mifehy ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany. Amin’io lalàna io, tsy misy fampiakarana ny vola alaina amin’ireo mpandraharaha fa fitsinjarana ny vola miditra no nasiana fanovana.

Covid-19 : mitohy ny ady ataon’i Madagasikara

0
Voafehy ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19 raha ny nambaran’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka androany saingy mbola mitohy ny ady atao amin’izany. Amin’ny ankapobeny, ireo olona efa nahazo taona no betsaka voan’ny Covid-19 eto amintsika saingy mety ho voan’izany ihany koa ny zazakely. Nisy androany ny fanomezana fitaovana teo anivon’ny hopital des enfants avy amin’ny fikambanana frantsay UFE Madagascar sy ny FDM Madagascar entina miady amin’izay fipariahan’ny Covid-19 izay.

Raharaha Farafangana : misokatra ny fanadihadiana hoy ny minisitra

0
Gadra roa izay isan’ny tafatsoaka tao amin'ny fonjan'i Farafangana no voasambotra omaly raha toa ka tafakatra 23 ireo namoy ny ainy. Misokatra nanomboka omaly ankilany ny fanadihadiana mahakasika ny vaky fonja tao Farafangana taorian'ny nidinan'ny minisitra tomponandraiktra tany an-toerana.

PAC : tsy ekena ny fanesorana ireo heloka ara-toekarena ao amin’ny lalàna

0
Tsy ekena ny fikasan’ireo Solombavambahoaka hanala ireo heloka ara-ekonomika ao amin’ny lalàna mifehy ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption hoy ny mpandrindra Nasionalin’ny PAC androany. Antony, ny heloka ara-ekonomika, izay manodidina ny 20 amin’izao fotoana, no fototry ny raharaha sahanin’ny PAC.

Farafangana : miisa 19 ireo gadra nitsoaka mbola karohina hatramin’izao

0
Miisa 19 hatreto ireo Gadra nitsoaky ny fonja tao Farafangana mbola karohina hatramin’izao. Fampiasana Basy no resaka hoy ny eo anivon’ny Zandary, ka aleo mahita ireo nandositra ny Fonja ho lavon’ny bala toy izay ireo mpitandro filaminana, indrindra ny vahoaka izay ho tafihin’izy ireo. Ireto farany izay nilaza fa tokony hanadihady ireo mpiaro ny Zon’olombelona vao manao fanambarana.

Zotra RN2 : tsy maintsy mitondra ny dika mitovy ny CIN ny mpandeha

0
Tsy hiakatra ny saran-dalana ho an’ny zotra RN2 hisokatra manomboka ny Sabotsy izao, araka ny nambaran’ny teo anivon’ny ATT androany. Fiovana maro ihany koa no hipetraka, isan’izany ny tsy maintsy hitondran’ny mpandeha dika mitovy ny karapanondro . Raha ny fanazavana, efa maro no mpandeha nanao famandrian-toerana.