vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 31 août 2020

Fifohana sigara : mampihena ny hery fiarovana, mampitombo ny taha mety hahavoa ny Covid-19

0
Isan’ny tafiditra ao anatin’ireo olona marefo ka mety ho voan’ny Covid-19 ireo mpifoka sigara sy ireo miara-miaina aminy raha nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny African Tobacco Control Alliance. Ny fanamboarana ny saina sy ny fikirizana no isan’ny paikady hialana amin’ny fahazarana mifoka raha ny fanazavana hatrany.

« Canal des Pangalanes » : ho vita mialohan’ny faran’ny taona ny fanadiovana rehetra

0
Ho vita mialohan’ny faran’ny taona ny fanadiovana ny Canal de Pangalane miainga eo Toamasina hatrany Mananjary ahafahana mifamoivoy malalaka araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny APMF. Mizara telo ny asa tanterahana ary efa samy eo am-pamaranana.

Toamasina : efa manomboka miverina amin’ny laoniny ny tsenan’ny « Tekateka »

0
Efa manomboka miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny tsenan’ny Tekateka sy ny Saint Jacques ao Toamasina ao Taorian’ny 5 volana nampangina tanteraka ny eny amin’ny Bord de la Mer. Fianakaviana maro no mivelona amin’ny fivarotana azy raha ny fanadihadiana natao.

BIANCO : miverina ny asa fanadihadihana taorinan’ny fihibohana

0
Hiverina avokoa ireo asa hiandreketan’ny eo anivon’ny BIANCO ankehitriny, raha toa ka ny fandraisana ireo fitaraiana mikasika ny kolikoly irery ihany no notanterahin’izy ireo nandritran’ny fihibohana. Hitohy araka izany ny fanadihadihana mikasika ireo raharaha mafana voarain’ity birao mahaleontena ity. Eo ihany koa ny asa fanentanana sy ny fanabeazana ny olom-pirenana mikasika ny ady atao amin’ny kolikoly .

Fangalarana vy : olona 3 naiditra am-ponja vonjimaika

0
Niakatra fampanoavana androany maraina ireo olona 5 voaroiroy tamin’ny fangalarana vy tao amin’ny depot an’ny minisiteran’ny asa vaventy tetsy Andohatapenaka. 3 no nahiditra am-ponja vonjimaika, ka manamboninahitra ny iray amin’izany, mpiambina ny 1 ary mpamily ny 1 hafa.