Accueil 2020 août

Archives mensuelles: août 2020

SEG : namaly ireo mpiaro ny Zon’olombelona

0
Manoloana ireo fanehoan-kevitra isan-karazany taorian’ny tranga tao Farafangana farany teo, nitondra fanazavana ny eo anivon’ny mpitandro filaminana. Tsy tokony hitsikera be fahatany ny fomba fiasan’ny mpitandro filaminana isika, indrindra ireo mpiaro ny zon’olombelona, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena.

« Relance économique » : mila fotoana ny firosoana aminy

0
Manomboka ny taona ho avy vao afaka hiroso amin’ny relance économique na ny fanarenana indray ny toekarena i Madagasikara, araky ny fanehoan-kevitry ny mpahay toekarena. Na efa miverina tsikelikely amin’ny fianana andavan’andro aza isika, tsy mbola ampy ahatafaverina ny fatiantoka nihatra tamin’ny orinasa samihafa izany. Sehatra maromaro ankilany no tokony atao laharampahamehana.

« TSINJO FAMENO » : natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany

0
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany teny anivon’ny orinasa Afakaba AKANJO teny Ambatomaro ny hetsika fampindramam-bola « Tsinjo Fameno » ho fitsinjovana ny mpiasa vokatry ny valan’aretina Coronavirus. Nanatrika izany tany an-toerana ny filoham-pirenena RAJOELINA Andry.

Fanadinam-panjakana CEPE : manome ny toromarika farany ny mpampianatra

0
Ny fanomanana ara-tsaina ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE afaka andro vitsy ankehitriny no tanterahin’ireo sekoly eto Antananarivo. Fotoana izay hihainoana ireo ankizy ahafahana manome ny toromarika farany mialohan’ny fanadinana.

Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany : nohatsaraina ny fitsinjarana ireo vola azo

0
Nitondra fanampim-panazavana mahakasika ny Didim-panjakana fampiharana ny lalàna mifehy ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany, izay nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny 19 Aogositra lasa teo, ny minisitra tomponandraikitra. Nomena tombony bebe kokoa ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinajram-pahefana hahafahana mampandroso an’i Madagasikara.

Fandraharahana : fotoana izao hidiran’ny rehetra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna

0
Mahalalim-paka ny fatiantoka ara-toekarena eto Madagasikara ny fahamaron’ireo mpandraharaha tsy manara-dalàna hoy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena Antananarivo. Manoloana izany, fotoana izao, hamporisihana ny rehetra hiditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna raha ny nambarany.

Carnet am-pokotany vaovao : hanampy amin’ny fanisana ny vahoaka isan-tokantrano

0
Miroso ary efa an-dalàm-pikarakarana ny carnet am-pokotany vaovao ankehitriny ny tomponandraikitra taorinan’ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena mikasika izany. Tanjona amin’ity fanaovana carnet am-pokotany ity ny fampitoviana ny carnet ho an’ny fokotany rehetra, eo ihany koa ny fanisana ny vahoaka isan-tokantrano.

Agriculture urbaine : haparitaka eto Antananarivo

0
Fomba iray ahafahana mampidi-bola sy mikajy ny tontolo iainana ny « Agriculture urbaine » ary misy ny tetikasan’ny minisiteran’ny fambolena miaraka amin’ny mpiaramiombon’antoka hamin’ny fanapariahana izany. Ny momba ny « Agriculture urbaine » izy hita eny Anosibe Zaivola ao amin’ny boriborintany faha enina no hotaterina anatin’ity fanadihadiana ity.

Fanadinam-panjakana CEPE : miroso ny fanomanana rehetra

0
Miroso ny fanomanana rehetra hiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE amin’izao fotoana izao araka ny nambaran’ny tomponandrikitra. Hanomboka rahampitso ny fizarana ny Convocation ho an’ny mpinatra hanala ny fanadinana. Ao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra ihany koa ankilany no hanatanterahan ny fanadinana manerana ny Nosy.

Ambovombe Androy : miroso ny fametrahana ireo fotodrafitr’asa fampandrosoana

0
Mandeha ny asa fametrahana fotodrafitr’asa hahafahana mampandroso ny faritra ao Ambovombe Androy hoy ny Kestora Voalohan’ny Antenimierampirenena nandritra ny fitsidihana nataony. Tsy mandeha anefa ny fampandrosoana raha tsy misy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny isam-batan’olona.