vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 8 septembre 2020

Toamasina : hanomboka ny fanambaoarana fotodrafitr’asa maro

0
Foto-drafitr'asa maromaro no hanomboka ny fanambaoarana azy ao toamasina. Ankoatran'ny lalana , hitohy ihany koa ny famitana ny kianja manara-penitra stadium ao Mangarano.

Fizahantany : niverina nisokatra ny valanjavaboahary ao Andasibe

0
Niverina azo tsidihina ny valanjavaboahary ao Andasibe taorian’ny fikatonana noho ny Covid-19 efa am-bolana maro. Miazakazaka mijery ny valanjavaboahary avokoa na ny malagasy na ny vahiny monina eto amintsika nandritra ny fanadihadiana. Ankilany, hentitra ny fepetra ara-pahasalamana hifehezana ny valan’aretina hoy ny teo anivon’ny MNP.

Mpanakanto : tokony ho hentitra ny fanarahan-dalàna mandritra ny hetsika samihafa

0
Nahatsiaro ho nahazo tombony manokana tamin’ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana omaly ny mpanakanto. Zavadehibe ny fahafahana manao fampisehoana na misy aza ny famerena ny isa, indrindra ho an’ny mpanakanto mivelona tanteraka anatin’izay.

Loholon’i Madagasikara : nametraka fitoriana teny anivon’ny HCC

0
Nametraka fitoriana teny anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana ny antoandro teo ny loholon’i Madagasikara mahakasika ny fomba nandaniana sy ny fanapahan-kevitra noraisaina tamin’ny fandaniana ilay volavolan-dalàna 001-2020. Tsy manara-dalàna hoy izy ireo ny fandaniana sy ny fomba nentina nankatoavana iny volavolan-dalàna iny.

Fanadinana CEPE : 69% ny taham-pahafana teto Antananarivo renivohitra

0
Tafiakatra 69% ny taham-pahafana nandritra ny fanadinana CEPE teto an-drenivohitra tamin’ity taona ity raha toa ka 67% izany tamin’ny taona lasa. Nihatsara araka izany ny vokam-panandinana CEPE 2020 teto an-drenivohitrana na teo aza ny fisihan’ny Covid-19.