Archives quotidiennes: 21 septembre 2020

Fanadinam-panjakana BEPC : hanomboka rahampitso

0
Hanomboka rahampitso ny fanadinam-panjakana BEPC. Tonga nijery ny efitrano hanatanterahana ny fanadinana avokoa androany ny mpiadina ary maro no notronon’ny raiamandreniny. Saika efa vonona ny ankamaroany saingy isany mampatahotra azy ireo ny taranja fizika sy matematika araka ny fanadihadiana androany.

Ankatso : may kilan’ny afo ny Bloc Amical 2

0
May omaly alina tokony ho tamin’ny 11 ora ny Bloc Amical 2 honenan’ny mpianatra eny Ankatso. Hatramin’ny 90 % ny fahavoazana araka ny fanadihadiana. Ankoatran’ny entana, may hotohoton’ny afo ny antontan-taratasy fianarana sy ny diplaoma. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny tomponandraikitra ka isany efa nirosoana ny famindran-toerana ny mpianatra niharam-boina.