Archives quotidiennes: 23 septembre 2020

KMF – CNOE : namaly ny fitoriana ny filankevi-panjakana

0
Fitoriana miisa 2 no mapertrakin’ny KMF – CNOE  Fanabehaza olompirenena  mahakasika ny fifidianana loholona ny 11 desambre 2020,  teny amin’ny filankevi-panjakana. Efa nivaly hoy ny filoha  nasionalin’ny kmf-cnoe ny fitorina napetraka teny amin’io andrim-panjakana io   ary handrasana ankilany ny valin’ny fitorina any amin’ny HCC.

Fivoriamben’ny firenena mikambana andiany faha 75 : nisokatra androany

0
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany ny andiany faha 75 amin’ny fivoriamben’ireo firenena mivondrona ao anatin’ny firenena mikambana tany Etazonia. Tamin’ny alalan’ny hafatra ao anatin’ny  horonantsary nahodina mialoha no nandraisan’ireo tomponandraikitra misolo tena ny firenena isan’isany anjara fitenenana. Isan’ireo voasolo tena amin’izany i Madagasikara tamin’ny alalan’ny minisitry ny raharaham-bahiny. 

Toeram-pisakafoana : miverina amin’ny laoniny ny asa rehetra

0
Toeram-pisakafoana : miverina amin’ny laoniny ny asa rehetra Taorian’ny fihibohana, miverina amin’ny laoniny ny asa rehetra eny anivon’ny toeram-pisakafoana. Ho an’ny toeram-pisakafoana iray nanaovana fanadihadiana, raha toa ka tsy nisy afa tsy 1 na 2 ny olona tonga misakafo teo aloha, amin’izao fotoana izao , efa mahatratra hatramin’ny 50 izany ao anatin’ny andro iray. Efa miverina hatramin’ny 50% kosa ny vola ampiasaina. 

Fiara laharana WW sy vahiny : manodidina ny 2 000 tsy nanara-dalàna manerana ny Nosy

0
Fiara mitondra laharana WW sy laharana vahiny manodidina ny 2 000 no tsy nanara-dalàna araka ny fanaraha-maso tampoka nataon’ny Foibe fitsarana Fiarakodia. Fiaran’olon-tsotra, misy ihany koa ana-tomponandraiki-panjakana, nosintonina taratasy ahafahana mampanara-dalàna azy ireo sy mampitombo ny vola miditra amin’ny fanjakana.

Bakalorea : nanomboka ny fitokana-monina ho an’ireo manomana ny laza adina

0
Nanomboka omaly ny fitokana-monina na ny « quarantaine » ho an’ireo mpisehatra isan-tokony hanomana ny  laza adina bakalorea. Namafisin’ny minisitra tomponandrakitra fa voahaja ny tetiandro hirosoana amin’ny fanadinam-panjakana. Torak’izay ihany koa ny fanaraha-maso tsy hisian’ny mety ho fivoahan’ny laza adina alohan’ny fotoam-panadinana.