mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 25 septembre 2020

Vokatra « Bio » : tsy maharaka ny tinady ny tolotra omena

0
Hampitomboana ireo tantsaha mpikambana mamokatra Bio eto Madagasikara manomboka izao. Raha 25 000 izany amin’izao fotoana, hampiakarina ho 200 000. Antony, tsy maharaka ny Tinady ny tolotra omentsika amin’ireo vokatra Bio. Hanampy amin’ny fanatanterahana izany ny Tetikasa FIHARIANA.

Toby fiantsonana Maki : mitovy ny saran-dalan’ny kaoperativa rehetra

0
Saran-dalana tokana ny an’ireo kaoperativa rehetra miasa ao amin’ny toby fiantsonana maki manomboka izao. Androany, nisy ny fanoloran’ireo mpiara-miombon’antoka ny fitaovana rehetra hanatanterahana ny  Caisse Unique. Haparitaka manerana ny nosy ity fomba fiasa ity hoy ny tompoandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana.

JIRAMA : hiverina amin’ny ara-dalàna ny fandoavana ny faktiora manomboka ny volana septambra

0
Miverina amin’ny laoniny ny fandoavana ny faktiora ny JIRAMA manomboka amin’ity volana septambra ity raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny JIRAMA. Ny faktiora ny vola aogositra izay fandaniana ny volana jolay, no mbola afaka hanaovana ny fanemorana ny fandoavana azy.  20 hatramin’ny 30%n’ireo mpanjifa no nanao ny auto-relevé  ny fandaniana tao anatin’ny fihibohana.

Fanatsarana ny tanàn-dehibe : zava-dehibe ny fanomezan-danja ny mpianatra malagasy

0
Manana ny andraikiny, indrindra amin’ny fanatsarana ny tanàn-dehibe sy ny fanajariana ny tany eto Madagasikara ireo mpianatra ho teknisianina Malagasy. Notontosaina androany teny anivon’ny Minisitaran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ny fifanaovan-tsonia mpiara-miasa hiarahan’ny minisitera sy ny sehatry ny fampianarana ho fanomezan-danja ireo mpianatra Malagasy amin’ny fanatanterahina ny fanatsarana ny tanàn-dehibe.

Mpizahatany – Nosy Be : maro no efa namandrika toerana

0
Maro ireo mpizahatany efa namandrika toerana ao Nosy Be amin'izao herinandro mialohan'ny fisokafany izao. Misy ihany koa ny tosika omen'ny minisitera hanampiana ireo mpandraharaha toa ny fananganana ny site web"bon plan".

Antsirabe : tra-tehaka ireo namono olona tao Antanambao Est Ivohitra Antsirabe

0
Tehaky ny polisim-pirenena tao Antsirabe ny nahavanon-doza tamin’ilay raharaha renim-pianakavina iray 53 taona  nisy namono tao an-tranony tao amin’ny Fokontany Antanambao Est ivohitra Antsirabe ny  faha 11 volana semptambra 2020 lasa teo.

Hain-trano – Antsirabe : olona 02 mpivady no namoy ny ainy

0
Nitrangana hain-trano indray tao Antsirabe ny alin’ny alarobia  faha 23 volana semptabra 2020 lasa teo. Olona 02 mpivady no namoy ny ainy vokatr’izany ary may avokoa ny entana rehetra. Ny fiara be mpitondra rano ny SMATP sy ny fokonolona teny an-toearana no nifehy ny afo.