Archives quotidiennes: 26 septembre 2020

CNEMD : notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany

0
Notanterahina androany ny fitokanana ny trano fianarana ho an’ny mpianatra mozika sy dihy ao amin’ny CNEMD etsy Anosy  ary ny fanolorana mari-pahaizana ho an’ireo mpampianatra izay notronin’i Ramatoa Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera.

Tetikasa Mihary : nivoaka androany ireo mpianatra miofana

0
Nivoaka androany tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny CNFPPSH Ampandrianomby ireo mpianatra manana fahasembanana niofana ary nisitraka ny tetikasa MIHARY novatsian’ny CBM vola. Manodidina ny 300 ireo nisitraka izany ary mbola hitohy manomboka ny taona 2021 hatramin’ny taona 2023 ny fanavaozana izay tetikasa izay.

Fivondronan’ny antoko politika sy olom-boafidy : tsy handray anjara amin’ny fifidianana loholona

0
Voahosihosy ny demokrasia eto Madagasikara araka ny nambaran’ny fivondronan’ny antoko politika sy olom-boafidy nivory teny Andrainarivo androany ka tsy handray anjara amin’ny fifidianana ho loholona izy ireo. Sao tsy fahatokisana intsony ny tanjaka no antony tsy handraisana anjara hoy ny mpanara-baovao ?

Minisitry ny atitany : ara-dalàna ny fanatanterahana ny fifidianana Loholona

0
Fanakianana be fahatany no ataon’ireo antoko politika sasany momba ny fanatanterahana ny fifidianana loholona hoy ny minisitry ny atitany. Tsy misy amboletra fa araka ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena no hirosoana amin’izay fifidianana izay raha ny fanazavana.

Barean’i Madagasikara : foana ny fihaonany amin’ny ekipan’i Burkina faso

0
Tsy hisy ny fihaonana ara-piralahina ho an’I Barean’I Madagasikara sy ny ekipan’I Burkina faso vokatry ny  fisihan’ny valan’aretina Covid-19. Vokany, hanatanteraka fiofanana sy fanazaran-tena any Luxembourg ny ekipam-pirenena Malagasy, ho fiomanana amin’ny fiatrehana ny dingana manaraka amin’ny fiadiana ny tompon-dakan’I Afrika 2021. 

Jono eto Madagasikara : 500 tapitrisa dolara isan-taona no very

0
Gaboraraka ny sehatry ny jono eto Madagasikara vokatry ny tsy fisian’ny politika miaro ny fitrandrahana . 500 tapitrisa dolara isan-taona ny vola very vokatr’izany. Raha toa ka efa nivoaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny mikasika ny fanatsarana izay sehatra izay, tamin’ny alalan’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety androany no namelabelaran’ny minisitra tomponandraikitra ny antsipirihin’izay.

CUA : nesorina ireo mpivarotra amoron-dalana eny Mahazo

0
Niroso tamin’ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana eny Mahazo ny eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny kaominina Ambohimangakely. Ankilan’izay, nampiantsoana ihany koa ny fikambanana mitantana ny Pavillon lasa trano fonenana eny Ampanotokana. Nomena hatramin’ny talata ireto farany hamerina ny tsena amin’ny kaominina.