Archives quotidiennes: 1 octobre 2020

Tongolo gasy : nihena hatramin’ny 50 % ny vokatra ho an’ny kaominina

0
FiaferanaNihena ny vokatra tongolo gasy tao amin’ny kaominina Ambanivohitry Fiaferana tao anatin’ny 5 taona farany. Niharatsy ihany koa ny kalitao vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro hoy ny mpamboly. Nihitatra ny fotoana ihainan’ny tantsaha ny maitso ahitra manoloana io noho ny tsy fahafahana mamadika ny vokatra ho vola araka ny tokony ho izy.

Ambatondrazaka : miisa 2 ireo tanàna notafihan’ny andian-jiolahy

0
Mahazo vahana hatrany any amin’ny faritr’Ambatondrazaka ankehitriny ny tsy fandriam-pahalemana. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, miisa 2 ireo tanàna lasibatr’ireo olon-dratsy mirongo fitaovam-piadiana. Mihorohoro araka izany ireo mponina manoloana ny tsy fandriam-pahalemana mateti-pitranga any an-toerana.

Halatra Tuc-Tuc any Toamasina : efa misy ny vokatra voaray

0
Manomboka ahitam-bokany ny fiaraha-miasan'ny mpitandro ny filaminana sy ny mpikirakira tuctuc ao Toamasina amin’izao fotoana izao. Tuctuc halatra iray no sarona omaly ariva tao ambolomadinika. Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny famongorana ireo mpanao ratsy raha ny fanazavana.

Ankizy milomano eo Andohatapenaka : maro ny loza mitranga

0
Mitombo isa ireo ankizy milomano etsy Andohatapenaka manamorona ny lalam-baovao amin’izao vanim-potoana mampahafana ny andro izao. Matetika hitrangana loza anefa eny an-toerana raha ny filazan’ireo mpivarotra eny amin’ny manodidina ka hanairana ny tomponandraikitra rehetra.

Madagasikara: nanolotra soson-kevitra entina miatrika ny vokatry ny Covid-19

0
Nandray fitenenana nandritry ny fivoriana avo lenta momba ny famatsiam-bola ho an’ny fampandrosoana maharitra hatramin’ny taona 2030 amin’izao vanim-potoanan’ny Covid-19 izao ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Fivoriana niarahana tamin’ireo filoham-panjakana , lehiben’ny governemanta ary ny solontenan’ny vondrona iraisam-pirenena , ny sehatra tsy miankina ary ny fiarahamonim-pirenena. Ho fintinina aminao ao anatin’ny fanadihadiana manaraka ny antsipirihin’izay.

Air Madagascar : tsy mahazo mitondra olona intsony ny sidina Antananarivo – Paris

0
Tsy mahazo mitondra olona mandritry ny fotoana tsy voafetra ny sidina ataon’i Air Madagascar mampitohy an’Antananarivo amin’I Paris manomboka androany 28 Septambra 2020. Raha ny fampitam-baovao navoakan’ny masoivohon’I Frantsa eto Madagasikara, ny tsy fifandanjana eo amin’ny sidina fampodiana tanterahin’ny kaompania Air France sy Air Madagascar no anton’izany.

Fifidianana Loholona : nisokatra ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana

0
Nanomboka androany ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana mandritra ny fifidianana Loholon’i Madagasikara. Tsy mbola nisy ny nametraka ny antontan-taratasy na nangata-panazavana momba izany araka ny fanadihadiana teny anivon’ny ratsamangaikan’ny CENI eny anivon’ny faritany na ny COMMISSION ELECTORALE PROVINCIALE.

Antoko HVM : nanamafy ny tsy handraisana anjara amin’ny fifidianana Loholona

0
Nanamafy ny tsy handraisany anjara amin’ny fifidianana Loholon’i Madagasikara androany ny antoko HVM araka ny nambaran’ny filohany no sady filohan’ny Antenimierandoholona. Izay no nisongadina nandritra ny tafa manokana nataony tamin’ny mpanao Gazetin’ny Kolo TV.

Alika mirenireny : hatao izay hifehezana azy tsy hitera-doza ho an’ny mponina

0
Hatao izay hifehezana ireny alika mirenireny eto amintsika ireny mba tsy hampidi-doza ny mponina raha misy ny tranga haromotana. Natomboka androany ary haharitra herinandro ny hetsika famosirana alika eny Ambatobe.  Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny andro maneran-tany ho fiadiana amin’ny haromotana.

Fanalan-jaza : tsy ampy ny fanamafisana ny lalàna eto Madagasikara momba izany

0
Tsy mbola azo atao hatreto ary voararan’ny lalàna ny fanalana zaza ho an’ireo vehivavy eto Madagasikara, na efa nisy aza ny faneken’ny firenena malagasy izany tamin’ny alalan’ny protocole de Maputo. Ilaina araka izany ny fanamafisana ny lalàna momba izany, ahafahana miaro ny ain’ireo vehivavy eo ihany koa ny fanatanterahina ny fanalan-jaza ao anaty ny fanarahana ny fenitra ara-pahasalamana.