Archives quotidiennes: 12 novembre 2020

11 Novembre : feno 102 taona ny nampitsaharana ny ady lehibe voalohany

0
102 taona androany ny naharesy ny firenena Allemand ary nampitsaharana ny ady lehibe voalohany ny taona 1918. Analin’ny ireo tanora malagasy avy amin’ny lafy valon’ny nosy niaraka tamin’ny firenena Frantsay nandray anjara tamin’ity ady lehibe ity. Nisy araka izany ny fanateram-boninkazo teny Anosy, ho fanomezam-boninahitra ireo miaramila malagasy maty tamin’izany fotoana izany.

Air Mad : ho fantatra mialohan’ny faran’ny taona ny “Business Plan”

0
Ho fantatra mialohan’ny faran’ny taona ny paikadi-panarenana ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar. Efa eo am-pamolavolana izany ny ekipa manokana misahana izany raha ny fanazavana.

Fifidianana loholona : nifarana androany ny lisitr’ireo mpifidy vaventy

0
Nifarana androany ny lisitr’ireo mpifidy vaventy hanatanteraka ny fifidiana loholona ny faha 11 ny volana desambra izao. Araka izany tsy hanan-kery intsony ireo didim-pitsarana avy amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana sy ny fitsarana ambony, mikasika ny fanovana ny lisim-pifidianana aorian’ny androany. Hivoaka manomboka rahampitso eny anivon’ireo distrika manerana ny Nosy ny lisitry ny mpifidy vaventy raha ny nambaran’ny teo anivon’ny CENI.

Maintirano : jiolahy 03 lahy nanafika renim-pianakaviana 84 taona mpivarotra Café

0
Ramatoa be iray, 84 taona, mpivarotra café no notafihin’ny Jiolahy 03 lahy mitondra antsy tao an-tranony, ao amin’ny Fokontany Marodoka, Kaominina Maintirano, androany tokony ho tamin’ny 03 ora maraina teo. Nokapohin’izy ireo ny lohany sy ny tanany hahazoany ny vola 3 alina Ariary, sy telephone ary ny poketra fitondra miantsena.

Manandriana : olona 02 mpivady nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana

0
Olona 02 mivady no hita faty tao an-tranony rehefa nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny Kaominina Manandriana Antananarivo Avaradrano. Razana efa simba no hita sy tsikaritry ny olona rehefa nijery ny tranon’izy. Ireo mpiasa tao an-trano no ipetrahan’ny ahiahy hatreto.

Masoivohon’i Chine sy i Maorisy : nanatitra ny taratasy manamarina ny fotoam-piasany

0
Solontenan’ny Masoivoho hiasa eto Madagasikara miisa 2 no nanatitra androany ny taratasy manamarina ny fotoam-piasany teny Iavoloha. Ny masoivohon’i Maurice ary ny masoivohon’i Chine eto Madagasikara.

Antenimierampirenena : tsy ampy 7 Lavitrisa ny vola ilaina amin’ny fampandehanan-draharaha

0
Manodidina ny 7 lavitrisa ny vola ilain’ny Antenimierampirenena ankehitriny ho fanohizana ny fampandehanan-draharaha samihafa eo anivon’ity andrim-panjakana ity. Tsy nahavitana taona ny vola azo avy amin’ny fahefana mpanatanteraka nandritra ny LFR 2020 noho ny fitomboan’ny fandaniana samihafa, hoy ny filohan’ity andrimpanjakana ity androany. Ny fitakiana io olana arabola io izay miteraka savorovoro eny anivon’ny Antenimieram-pirenena amin’izao fotoana.