23 novambra 1903 : nisy didim-pitondrana roa samihafa navoaka

0

Mahakasika ireo hetra tsy maintsy naloan’ny olona fahiny, izay mbola tsy manambady ary tsy manan-janaka feno 16 taona, na lahy na vavy nofoanana t@ nitantanan’i Galliéni any Madagasikara tamin’ny didim-pitondrana navoakany ny faha-23 novambra 1903 no resahina aminao voalohany, ato anatin’ny zana-pandaharana NY LASA eto amin’ny fampahalalam-baovaon’ny KOLO TV. Ny didim-panjakana nametraka ny hetra tokony haloan’ireo olona miompy alika teto Antananarivo, navoaka ny andron’io faha-23 novambra 1903 io no fampatsiahivana ny LASA faharoa.