29 mars 1947- 29 mars 2018 : feno 71 taona ny tolom-panafahana

0

Feno 71 taona omaly ny fanamarihana ny tolom-panafahana nanehoan’ny Malagasy ny fitiavan-tanindrazana nanoherana ny Frantsay. Tsy hita taratra amin’ny fomba fiasa sy ny fitiavan-tanindrazana voalaza ankehitriny intsony ny fitiavan-tanindrazan’ny Malagasy raha ny voalazan’ny mpahay tantara. Resin’ny kolikoly ny fitiavan-tanindrazana raha ny fanazavana hatrany.