« ABE Initiative » : mitohy ny fanomezana vatsim-pianarana any Japon

0

Miditra amin’ny andiany faha-7 ny fanomezana vatsim-pianarana tanora malagasy hiofana any Japon mandritra ny 2 hatrami’nny 3 taona anatin’ny fandaharan’asa ABE INITIATIVE. 2 no nahazo izany tamin’ity andiany ity. Ankoatran’ny vatsim-pianarana, mampiavaka ny ABE INITIATIVE ny fisitrahana fizaharan’asa, izay mety ahazoana asa any Japon avy hatrany.