ACD: toherin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola

0

Ankaotry ny sehatra tsy miankina, nanamafy ny fanoherana ny fametrahana ny rafitra ACD ihany koa ireo mpiara-miombonantoka ara-teknika sy ara-bola. Ahiana hiemotra ny famatsiam-bola rehetra raha toa ka tafapetraka eto izay rafitra izay. Hatreto aloha, tsy ahenoan-teny ny avy eo anivon’ny fitondrana ny amin’ny hoe hiroso na tsia amin’izany.