Ady amin’ny « Kere » : notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny « Pipeline » voalohany.

0

Ho fiadiana amin’ny « Kere » sy ny tsy fisian’ny rano fisotro madio any antsimon’ny Nosy, notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny « Pipeline » voalohany mirefy 176 Km mamatsy rano fisotro madio an’ireo mponina ao Ampotaka, Tsihombe ary Faux Cap. Mbola hisy ny « Pipeline » faharoa sy fahatelo izay efa eo an-dalam-panamboarana amin’izao fotoana.