Ady amin’ny kolikoly : ho fitaratra aty Afrika i Madagasikara

0

Ho fitaratra aty Afrika ato anatin’ny 5 taona ho avy i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola ary ny famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana. Efa naneho ny fahavononany ary hanohy izany ny fitondram-panjakana hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana androany teny Anosy.