Ady amin’ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara : saika nahazoana vokatra avokoa ny faritra rehetra

0

Fahatratrarana mpitandro ny filaminana ahiana amin’ny raharaha kolikoly, fisamborana ireo tomponantoka amin’ny asa fakana an-keriny, fahatratrarana basy sy jilolahy maro isan-karazany; ireo no isan’ny nanamarika ny vokatry ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana tao anatin’ny 3 herinandro ho an’ny volana febroary teto Madagasikara raha ny tatitry ny polisim-pirenena. Hetsika izay mitohy hatrany ho fanatanterahana ny politikam-panjakana hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana.