Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : tompon-daka ny Filoha Andry Rajoelina

0

Laharam-pahamehana ho ahy ny ady amin’ny anoanana sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Io no nambaran’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagsikara nandritry ny kabary nataony tany Addis Abeba, nandritry ny fihaonam-be faha-33 ny vondrona Afrikana. Ny paik’ady entin’ny firenena hiadiana amin’izany sy ny finiavana no isany nanomezan’ny filohan’ny BAD na ny Banque Africaine de Développement ny toerana maha tompon-daka amin’ny ady manoloana ny tsy fanjarian-tsakafo azy.