Air Madagascar-Air Austral : nampiato ny sidina mankany Chine mandritry ny 1 volana

0

Miato avokoa ny sidina ataon’ny Air Madagascar Antananarivo-Guangzhou-Antananarivo, manomboka ny voalohan’ny volana febroary izao ka hatramin’ny 01 martsa 2020. Ho an’ny Air Austral, hiato manomboka amin’ny 8 febroary ka hatramin’ny 01 martsa ny sidina mankany Chine. Fanapahan-kevitra izay noraisaina manoloana ny fipariahan’ny valan’aretina « coronavirus ». Etsy ankilany, misy ny lamina napetraka ho an’ireo izay efa namandri-toerana mialoha, na ireo nividy tapakila. Fanadihadiana.