Ala Mikea : hentitra ny fepetra raisina amin’ny fiarovana

0

Fifanomeza-tanana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no fehezanteny nentin’ny Minisitra Alendre Georget nandresen-dahatra ny mponina mipetraka manodidina ny ala mikea. 8 metatra toradroa isa-minitra ny velaran-tany may isanandro ao anat’ity ala mikea ity nandritra ny taona 2018 noho ny tsindry avy amin’ny doro-tanety. Ho hentitra ny fepetra raisina akoatry ny efa nisy hatramin’izay hoy ny minisitra.