Ambatomaro : nisy nanangana tamboho ny lalam-be fampiasan’ny vahoaka.

0

Velona ny tabataba teo amin’ny mponina sy ilay milaza ho tompon’ny tany teny Ambatomaro ny maraina teo. Antony, nisy nanangana tamboho ny lalam-be fampiasan’ny mponina hatrizay. Tsy rariny ary tsy ekena ny tranga tahaka izao hoy ireo mponina izay miantso ny tomponandraikitra hijery ifotony ny tena zava-misy marina.