Ambatondrazaka

0

 

Tohin’ny raharaha halatr’omby tany amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, tanànan’i Ampamoholambo, nahavoarohirohy sefo fokontany any an-toerana; ahiana hiteraka kotontana ny  famotsoran’ny zandary ilay sefo fokontany eo am-piandrasana ny fitsarana azy. Tsy manaiky ny hivoahany ny mponina, antony raha ny fanazavana, efa misy hoy ny maro ny fandrahonana sy ny filazana fa misy olona ambony ao andamosin’ity lehiben’ny fokontany ity.