Ambohidratrimo : mihenjan-droa ny tady eo amin’ny Ben’ny Tanàna sy ireo mponina

0

Toherin’ireo mponina ao amin’ny kaominina Ambohidratrimo ny fanotofana tany sy fandrodanana trano kasain’ny kaominina ho atao. Antony, fambolena maro no efa tototry ny tany, tsy nisy ny fanonerana hatramin’izao. Etsy ankilany ny ben’ny tanàna manambara fa hitohy ny asa fanotofana hanatanterahina tetik’asan’ny kaominina.