Ampahan-dalana amin’ny RN2 sy RN3 : nahemotra ny « réception provisoire »

0

Taorian’ireo tsy fahatomombanana maro hitan’ireo teknisiana sy mpanara-maso avy amin’ny MATP, nahemotra ny « réception provisoire » ny ampahan-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-3 izay nataon’ny orinasa Colas. Ity farany izay nomena fe-potoana 1 volana hamitana an-tsakany sy an-davany ny asa rehetra.