Ampamarinana : Tsy mbola fantatra mazava ny tany omena ireo ho arodana trano

0

Omaly concret no nanomboka ny famindrana ireo mponina maherin’ny 100 eny Ampamarinana taorian’ny fianjerana vato lehibe iray teny an-toerana ny Sabotsy lasa teo. Mbola tsy mazava ny toerana omena ireo tompon’ny trano 9 ho ravàna araka ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana. Misy amin’ireo mponina voakasika no tsy manaiky manoloana izany.