Ampefiloha-Ambodirano : 100 mahery ireo tokantrano tsy nahazo ny sosialim-bahoaka

0

Tokantrano miisa 100 mahery, ao anatin’ny fokontany Ampefiloha-Ambodirano ankehitriny
no mitaraina nohon’ny tsy fisitrahan’izy ireo ny fanampiana avy amin’ny fitondram-
panjakana. Nambaran’izy ireo fa misy amin’ireo efa nisitraka tosika fameno no mbola nahazo
ny “ticket” mikasika ny sosialim-bahoaka ao antin’ity fokotany ity. Manoloana io, mitaky ny
mangarahara amin’ny fizarana ny fanampiana izy ireo.