Ampefiloha Ambodirano : mitaky ny fanesorana ny sefo fokontany ny mponina

0

Mitaky ny fanesorana ny sefo fokontany eny an-toerana ny mponina etsy Ampefiloha Ambodirano. Tsy azo ekena intsony ny fanodikodinana ny fananan’ny fokontany, ny fanaovana kolikoly amin’ny endriny maro sy ny marohafa, izay efa nanaovan’ny mponina tatitra nandritra ny taona maro. Androany no niroso tamin’ny hetsika fanairana ny ambaratongam-pahefana ireo mponina teny an-toerana.