ANAC Ambohitsirohitra : sehatra ho an’ny kolontsaina sy ny zava-kanto Malagasy

0

Natomboka tamin’ity androany ity ny asa fanamboarana ny « Académie Nationale des Arts et de la Culture » eny Ambohitsirohitra ambany. Tetikasan’ny Filohampirenena ho fampivoarana ny kolontsaina sy ny zava-kanto Malagasy ny ANAC, ary foto-drafitr’asa ho lovain’ny taranaka no hajoro hoy ny filoha Andry Rajoelina.