Antananarivo : faritra 6 nametrahana toeram-pamatsiam-bary ho an’ny mpaninjara

0

Faritra 6 eto Antananarivo sy ny manodidina no nanombohan’ny  minisiteran’ny varotra sy ny indostria ny fametrahana toeram-pamatsiana vary manakaiky ny mpaninjara. Afaka manantona izany avokoa ny tsena kely manara-dalàna amin’ny fokontany manodidina. Ferana 1750 hatramin’ny 1800 ariary ankilany ny kilao hamarotana ny vary amin’ny mpanjifa.