Antenimierampirenena : nihemotra ny fandinihana ireo antontan-taratasy miisa 4

0

Nihemotra amin’ny fotoana manaraka indray, vao hiroso amin’ny fandraisana fankatoavana eo anoloan’ny fivoriana azon’ny be sy ny maro hatrehina, ny fandinihana ireo antontan-taratasy miisa 4 amin’ireo 12 tonga eo ampelatanan’ireo Solombavambahoaka mandrafitra ny kaomisiona misahana ny fiampangana manoloana ny fitsarana avo na ny Commision de mise en accusation. Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao araka izany ny fomba fiasan’iro Solombavambahoaka.