Antenimierampirenena : tsy ampy 7 Lavitrisa ny vola ilaina amin’ny fampandehanan-draharaha

0

Manodidina ny 7 lavitrisa ny vola ilain’ny Antenimierampirenena ankehitriny ho fanohizana ny fampandehanan-draharaha samihafa eo anivon’ity andrim-panjakana ity. Tsy nahavitana taona ny vola azo avy amin’ny fahefana mpanatanteraka nandritra ny LFR 2020 noho ny fitomboan’ny fandaniana samihafa, hoy ny filohan’ity andrimpanjakana ity androany. Ny fitakiana io olana arabola io izay miteraka savorovoro eny anivon’ny Antenimieram-pirenena amin’izao fotoana.