Antoko TIM : mampametra-panontaniana ny rehetra

0

Mampametra-panontaniana ny rehetra ny fomba fihetsiky ny antoko TIM amin’ny alalan’ireo Solombavambahoaka, miisa 16 eny amin’ny Antenimierampirenena. Antony, zava-baovao tsy mbola nisy teto amin’izao tontolo izao ny hoe, ny antoko mpanohitra, sady tsy nanolotra kandida ho fidiana ho filohan’ny Antenimiera no tsy nanao vatofotsy fa nifidy ny vondrona parlemantera mifanandrina aminy.