Apipa : miantso ny fandraisan’andraikitry ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny SAMVA

0

Tohin’izay raharaha izay hatrany, manambara ny Apipa fa ny tsy fandraisan’andraikitry ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny SAMVA no isan’ny antony nahatonga ny arabe an’Antananarivo ho dibo-drano omaly. Taorian’ny fanadiovana ny tatatra sy ny lakan-drano natao ny taona 2018, tsy tokony hisy ny tranga toa ireny raha ny nambaran’izy ireo.