Asa fanaovan-gazety : hohatsaraina hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny mpitondra fanjakana

0

Nanamafy ny fahavononany hihaino, hifampiresaka, hanome vaovao ho an’ny mpanao gazety ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara nandritra ny fiarahabana tratry ny taona nataon’ny solotenan’ny mpanao gazety, ny tonian’ny fanoratana, ny talen’ny famoahana, ny mpitantana sy ny tompon’ny orinasa ny maraina teo teny Iavoloha.